Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour- J30” izay natao tany Abidjan. Nahazo ny laharana voalohany Rasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy.
Fahombiazana tanteraka no azon-dRasendra Miotisoa, vehivavy mpilalao tenisy, nandritra ny famaranana ny fifanintsanana “Circuit mondial Junior J30”, izay natao tany Abidjan Côte d’Ivoire, omaly. Lavon’ity Malagasy mpilalao tenisy ity, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/6,4), ilay rosianina, Tamara Ermakova.
Raha hiverenana ny dingana vitan’i Miotisoa, tamin’ity fifaninanana ity. Lavony teo amin’ny manasa-dalana, seta 2 no ho 1 (6,0/2,6/6,4) ilay Tonizianina, Bicene Benzaled, ny zoma lasa teo. Nahintsan’i Miotisoa, teo amin’ny ampahefa-dalana ilay frantsay, Margo Andrieu. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/6,4), io mpifaninanana tamin’io, tamin’izany.
Ankoatra izay, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “World Tennis Tour-j60”, indray i Miotisoa manomboka anio. Araka ny vaovao voaray any an-toerana, anio vao fantatra izay ho mpifanandrina aminy. Tsara ny mampahatsiahy fa ity no amboara fahaefatra azon’i Miotisoa taorian’ny ratra nahazo azy.
Laharana fahefatra Andraina Mitia Voavy
Votsotra teo am-pelatanan’Andraina Mitia Voavy, “tennis woman” ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, izay atao any Alger Algerie. Resin’i Tawila Judy, egypsianina, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo, seta 2 no ho 1 (2,6/6,3/6,3) izy, afakomaly.
Tsara fanombohana ihany i Mitia tamin’ity fihaonana ity, porofon’izany ny nahazoany ny seta voalohany. Tsy nahita afa-tsy lalao telo kosa izy tamin’ny seta faharoa sy fahatelo. Tsara ny mampahafantatra fa ilay mpilalaon’i Egypte, Mostafa Rahaf, no nanintsana ity Malagasy atleta ity, seta 2 no ho 0 (6,1/6,0), teo amin’ny manasa-dalana, ny zoma lasa teo.
Marihina fa efa nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny fifaninanana Afrikanina ho an’ny sokajy U18, izay natao tany le Caire Egypte, i Mitia, ny volana febroary lasa teo.
Fitia Randria