Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy “Can 2024”, ny Makis Ladies ankehitriny. Tanjona voalohany ny fandresena ny Lionan’i Kenya.
J-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny 4 ka hatramin’ny 12 mey ho avy izao. Misikiponitra mafy ny Makis Ladies, manomana izany fihaonana goavana izany. Nambaran’ireo mpilalao fa mila maka fandresena amin’ny lalao voalohany. Hiankina amin’izany mantsy ny ho tohin’ny lalana ka tsy azo atao kinanga. Araka izany, tanjona ny fandresena an’i Kenya.
Hanala vela amin-dry zareo Liona kenianina rahateo ny Makis Ladies amin’ity. Efa vonona ireo Malagasy mpilalao hiatrika izany. Mametraka ny taktika sy fanitsiana ireo fahadisoana vitsivitsy sisa ny mpanazatra. Tsiahivina fa tsy mbola mivoaka ny anaran’ireo mpilalao voatazona farany hiatrika ity “Can 2024” ity fa ireo 30 vavy hatrany no manaraka ny fanazaran-tena.
Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby fa voninahi-pirenena no harovana ka miantso ireo mpitia ny baolina lavalava ny tenany hanohana ny Makis. «Na rano iray tavoahangy ihany aza no hatolotra ho azy ireo dia efa zava-dehibe», hoy izy.
Mitodika manokana amin’ny fitondrana ihany koa ny tenany hijery ny Makis Ladies. Notsiahiviny fa zava-dehibe ny fiatrehana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2025». Tombony ho an’ny Malagasy rahateo ny handraisana ity Can ity eto Madagasikara.
Tsiahivina fa firenena efatra no hiady ho lohany amin’ity, Makis Ladies, ny Springboks Afrika Atsimo, ny Lionan’i Kenya ary ny Liona tsy voafolak’i Cameroun. Hanokatra ny lalao ny sabotsy 4 mey, i Cameroun sy i Afrika Atsimo ary i Kenya sy i Madagasikara.
Tompondaka