Mikasa hametraka tranombakoka ho an’ny baolina kitra malagasy ny Jeunes malagasy ambitieux (JMA). Nambaran’i Kantoharimanana Romeo, filohany, fa nanosika azy ireo hanao izany ny fitiavana ny fanatanjahantena. Tanjona, hapetraka amin’ny toerana iray, ho hita sy ho fantatr’ireo taranaka, ny tantaran’ireo kalaza nitondra avo ny lazan’ny baolina kitra sy ny tantarany. Mba hamelona hambom-po ho ao anatin’izy ireo ihany koa. Nomarihiny fa ireo rehetra nandalo tao anaty ekipam-pirenena no hanaovana izany. « Zava-misy, tsy mahalala afa-tsy ny Barea sy ireo mpilalaony ireo ankizy ankehitriny. Tsy fantany ny fisian’izany Scorpion sy Club M izany. Tao koa ry Me Kira sy Arsène Malabar sy ireo hafa misandrahaka maneran-tany», hoy izy.
Kasain’izy ireo hatao ao amin’ny kianja Barea Mahamasina io tranombakoka io saingy miandry fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy mety ny hametrahana izany ao, hangatahan’izy ireo ny ANS Ampefiloha. Ho hita ao anatin’izany toerana izany ny sarin’ireo mpilalao fahiny sy ankehitriny, ny «maillot» sy ny «godasse» nanaovany. Fandraisana anjara no hidirana ao fa tsy vidim-pidirana. Mba tsy hisian’ny fanadinoana, hiantso ny fianakavian’ireo izay rehetra nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena ny JMA handaminana ny zava-drehetra. Miara-miasa amin’ireo mpilalao tranainy rahateo ny fikambanana. Hisy toerana hivarotana fitaovana samihafa ihany koa satria tiliana manokana ireo mpizahatany.
Tsy hijanona amin’ny baolina kitra ihany fa hisokatra amin’ny taranja hafa toy ny rugby, ny basikety sy ny hafa ny JMA amin’ny fametrahana tranombakoka.
Tompondaka