“Run and Bike” andiany fahefatra : 400 latsaka kely ny isan’ny mpandray anjara

Tontosa omaly, tetsy Ambohibe, ny hetsika “Run and Bike”, andiany fahefatra nokarakarain’ny fikambanana TAO. Tanjona ny hanentanana sy hiadiana amin’ny fanaovana herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona.

400 latsaka kely teo ny isan’ny mpandray an­jara tamin’ity hetsika « Run and Bike », andiany fahefatra. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ara-panatanjahantena, nahitana hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra, ity ny fakana masoivoho teo amin’ny fanentanana. Nosafidiana, nandritra izany, ny lohahevitra “ady amin’ny fanolanana”. Samy nitondra T-shirt misy soratra hoe hajanony ny herisetra avokoa ireo mpandray anjara rehetra. Naparitaka tamin’izany fa heloka bevava ny fanolanana. “Mino izahay fa voampita amin’ny olon-kafa manodidina sy ny mpijery ary ireo mpandray anjara rehetra izany hafatra izany”, hoy Ny Antso Andriambelomalala, tom­ponandraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana TAO.
Ankoatra ny hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra. Nahitana karazana fanentanana maro samihafa mahakasika ny ady amin’ny herisetra ihany koa teny an-toerana. Anisan’izany, ny fanentanana tamin’ny alalan’ny marionette niarahana tamin’ny ASOS. Entina hampahafantarana ny ankizy ireo zavatra tokony hataony manoloana ny karazana herisetra. Notolorana loka ihany koa ireo telo voalohany nandresy tamin’ny hazakazaka.

Hanampiana ny lasibatra ny vola azo
Entina hanampiana ny lasibatry ny herisetra ny vola azo rehetra nandritra ny hetsika, raha ny fanazavana voaray. Lasa tsy manana fahatokisan-tena intsony ny ankizy niharan’ny herisetra, anisan’ny olana tsapa izany. Zava-dehibe, araka izany, ny fitsaboana azy ireo eny anivon’ny “psychologue”. Mba hahafahana mamerina azy ireo indray eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo tsirairay avy sy hamerenana ny fahatokisan-tenany. Ezahina hatao isan-taona ny “Run and Bike” satria ahafahana manentana ny vahoaka sy ny mpitondra isan’ambaratonga. Mba hahafahana mitaky ny lalàna, ho lavitry ny kolikoly.

Mino

Partager sur: