Nisaraka ady sahala, 40 no ho 40 tamin’ny ekipan’i La Réunion ny Makis de Madagascar, nandritra ny lalao sedra. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Saika ireo mpilalao zandriny U20 no nidona tamin’ireo renione, tamin’izany. Tsara sedra ireo zandrikely izay efa manomboka mametraka ny fahaiza-manaony. Na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka satria betsaka loatra ireo “faute de main” ka matetika no latsaka hatrany ny baolina. Toy izany koa ny tolotra izay mbola tsy mety. Nambaran’i Mamikely mpanazatra, fa ilay tsy fahampian’ny fifaninanana ny anton’izany. Nanampy ireo zandrikely ireo mpilalao zokiny, toa an’i Garcia sy i Lahatra ary i Julio sy i Maxime. Samy niaiky ny rehetra fa mila dona matetika ireo mpilalaon’ny Makis. Nilaza ho afa-po kosa ry zareo renione, tamin’ny vokatra azony. Ankoatra izay, resin’ny Makis Ladies ny renionezy, teo amin’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy.
Tompondaka