Tsy vonona ny Maorisiana handray ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, sokajy “senior”, taranja handball. Araka izany, hatao eto Madagasikara indray ny fihaonana.
Noho ny disadisa anatiny misy eo amin’ny Federasiona maorisiana ny handball, tsy raikitra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara sokajy “senior”, lahy sy vavy , “CCCOI 2024”. Fihaonana tokony ho natao tany an-toerana, ny volana febroary lasa teo. Araka izany, nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny Association handball de l’Océan Indien (AHBOI), fa afindra ny fifaninanana. Tapaka fa homena an’i Madagasikara ny fampiantranoana izany, amin’ity.
Fantatra fa hatao ny volana jolay, eto Antananarivo, ity fifaninanana ity saingy tsy mbola misy daty voafaritra. Tsiahivina fa efa nandray ity fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ity, ny Federasiona malagasy, ny volana oktobra 2022, tany Mahajanga. Nanao pao-droa tamin’izany ry zareo Réunionais. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny lehilahy ny Chateau Morange, raha ny HBC ST Denis, ho an’ny vehivavy. Nandrombaka ny medaly volafotsy teo amin’ny andriambavilanitra ny My-Sah Analamanga.
Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMHB) fa hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity “CCCOI 2024” ity, izay 2 voalohany isaky ny sokajy. Hamaritra izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao ny volana jona ho avy izao. Raha ny voafaritra dia hatao any Antsiranana io fifaninanam-pirenena io saingy eo am-piresahana amin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny federasiona amin’izao fotoana izao.
Mandra-piandry izany, hisy fiofanana ho an’ny mpanazatra, hatao ny 24-28 avrily ho avy izao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, hahazoana ny “Licence D IHF”.
Tompondaka