Niainga, omaly, teny Ivato, tamin’ny 3 ora tolakandro, hihazo an’i Egypte, ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Fifanintsanana hanomboka rahampitso. Raha ny vaovao voaray omaly, teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy, ireo mpilalao hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’izany.
Ho an’ny vehivavy, ry Rasoanaivo Laura sy Razafindrakalo Natacha ary i Christiane Vital no hisolo tena an’i Madagasikara. Rakotonandrasana Hyacinthe Angelo kosa ny lehilahy. Hanazatra azy ireo, any an-toerana, Randriamasinoro Mamy, tale teknika nasionalin’ny FMJ.
Araka ny fikarohana natao, hanokatra ny fifanintsanana ny fihetsika mirindra, “kata”. Hatao ny 25 hatramin’ny 27 avrily kosa ny lalaon’ny tsirairay, “individuel”. Hamarana azy ny lalao isan-tarika “par équipe”, izay hotontosaina ny 28 avrily ho avy izao. Hanana ny lanjany lehibe ity fifanintsanana ity, tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehina ny “Lalao olympika 2024”, hatao any Paris, ity fifaninanana ity. Tsara ny mampahafantatra fa ity no fifaninanana afrikanina farany, mialohan’ny “Lalao Olympika 2024”.
Fitia Randria