Run – Mada 2024: hiaro ny anaram-boninahiny i Bobo Jr

Hiditra amin’ny dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ny Run ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hifampitana ao amin’ny sokajy Prorun ireo fiara matanjaka sy ny mpanamory kalaza amin’ity fifaninana ity.

Hotanterahina eny amin’ny «piste» Arivonima­mo, ny alahady ho avy izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024, taranja Run. Fifanina­nana, karakarain’ny klioba Run Mada. Toy ny mahazatra, hifaninana amin’ny halaviran-dalana 400 m ireo mpanamory.
Hiaro ny anaram-boninahitra efa azony i Bobo Jr, avy amin’ny klioba BRC. An­drasan’ny rehetra rahateo, eo amin’ity fifaninanam-pirenena ity, ny hazakazaka eo amin’ny Pro Run, misy ireo fiara ma­tanjaka entin’ireo mpanamory kalaza. Hifampitana eo i Bobo Jr sy i Jay Tax ary i Tojo sy ny hafa.
Mandeha tsiroaroa ny fiara amin’ity Run ity, ka indimy mifaninana amin’io halavirana 400 m io. Miatrika ny ampahefa-dalana ireo 8 voalohany tsara fe-potoana indrindra. Mihintsana indray ny efatra ka manao ny manasa-dalana ireo efatra manana ny zava-bita tsara ary miatrika ny famaranana ireo roa voalohany. Mialoha izay, mbola hisy ny fiadiana ny laharana fahatelo. Tsiahivina, fa mahazo isa 25 ny tompondaka amin’ity, raha 21 ny faharoa ary 18 ny fahatelo.
Takina amin’ireo mpifaninana ny kara-pilalaovana 2024, avy amin’ny Federa­siona sport automobile malagasy (FSAM), ny taratasy manamarina ny fahavitana ny fitsirihana teknika, ho an’ny fiara ary ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny mpitsabo, ho an’ireo mpanamory.
Mitotaly 12 ny isan’ny sokajy hifampitana amin’ity Run, andiany voalohany ity, ka ankoatra ny ho an’ireo efa mpanamory manana ny lazany, misy koa ny an’ireo ankizy manomboka ny 14 taona. Takina amin’izy ireo kosa ny fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny sy ny fanekena hifaninana.

Torcelin

Partager sur: