Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny.
Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalana mandroso amin’ny “Play-offs”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny Pureplay football league (PFL). Hiatrika izany ireo ekipa efatra voalohany tany amin’ny kaonferansy avaratra sy atsimo.
Hampiavaka ity dingana ity, ny tsy fahazoan’ny mpijery manatrika ny fihaonana eo amin’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Lalao hatao etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Noho ny sazy nomen’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), ny ekipan’Atsimo Andrefana no anton’izany. Raha ny fandaharam-potoana, tokony hampiantrano ny lalao mandroso ry zareo 3FB saingy tafiditra ao anatin’ny sazy azon’ izy ireo ny tsy fahafahana mandray ny lalao mandroso rehetra, hataon’ny ekipa. Ny fihaonana miverina hatao any Mahajanga kosa no azo asiana mpijery.
Ankoatra izay, handray ny Disciples FC ny Tsaramandroso Formation, ao amin’ny kianja Rabemananjara. Hiankina amin’ny fahavitan’ity ekipan’i Boeny ity manefa ny sazy ara-bolany ihany koa anefa ny hahazoan’izy ireo miakatra kianja. Na izany aza, efa samy vonona ny klioba roa tonta hiatrika ity fihaonana ity.
Hanafika ny AS Fanalamanga any Ambatondrazaka kosa ny Elgeco Plus Analamanga. Fihaonana ho toy ny famaranana kely satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Samy manana ny herijikany ny andaniny sy ny ankilany. Ho an’ny Elgeco Plus, tombony ho azy ireo ny mbola handraisana ny lalao miverina.
Ankoatra izay, hidona any amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa ny Zanakala FC sy ny ASA Diana.
Tompondaka