Nifarana ny talata lasa teo teny Ambatobe ny fiofanana nataon’ireo mpanazatra miisa 16, ny taranja Padel eto Madagasikara. Nitarika sy nizara ny traikefany nandritra ny roa herinandro, i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mpanabe amin’ny taranja Padel, nanomboka ny taona 2014 izy rehefa avy mpilalao ny taona 2008. Fahombiazana ny fiofanana nomeny izay tafiditra ao anatin’ny Orange Malagasy Pro Padel Tour (MPPTour). Nahafahana nampivoatra ny lentan’ity taranja ity ny zavatra nomeny. Nisy ireo naka fiofanana mitokana ary nisy koa ireo niaraka. Tanjona amin’izany ny mba hampakiakarana ny haavo teknikan’ny Padel malagasy.
“Talanjona amin’ny hafanam-pon’ireo mpilalao te hivoatra izahay”, hoy i Gary Ah-Waye, isan’ireo tomponandraikitry ny Orange MPPTour.
Efa nanipy teny sahady i Julien Bondia, ny amin’ny dingana manaraka dia ny fiofanana hahazoana mari-pahaizana iraisam-pirenena izany. «Tonga teto aho, nampita ny fanalahidy sy nanome ny valin’ireo fanontaniana manitikitika rehetra”, hoy ny nambarany izay nanamarika fa manana ny lenta tsara ny Padel malagasy.
Nankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny MPPTour sy ny MPPTour Performance, i Frederic Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar. “Tokana ny fanambinay dia ny hivelaran’ny Padel eto Madagasikara”, hoy izy.
Torcelin