Beach Soccer – “Festival Mazavaloha” : hahazo volabe izay mivoaka mpandresy

Afaka andro vitsy, hiatrika lalao Beach Soccer indray ny mpankafy baolina kitra malagasy. Natao hamerenana ny lazan’ity taranja ity eto an-toerana izany fifaninanana izany. Hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny Barea.

Hotanterahina any An­talaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra amin’ny torapasika, “Festival Mazavaloha”, andiany voalohany. “Hoto­lor­ana lelavola 2 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ity fifanintsanana ity”, hoy i Pontiac Jean Théophan, filohan’ny Beach Soccer eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, teny Andraharo.

Miisa folo ireo faritra mandray anjara amin’izany. Ani­sany i Melaky, Boeny, Atsi­nanana, Atsimo Andre­ana, Vatovavy Fitovinany, Ana­lan­jirofo, Diana, Sava, Anosy.
Araka ny fanazavana nataon’ity lehiben’ny baolina lalaovina amin’ny torapasika ity, natao hamerenana indray ny lazan’ny taranja eto Ma­da­gasikara ity lalao ity.

Tsiahivina fa efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, Can 2015, i Madagasikara, tany Seychelles. Efa niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ny taona 2015 ihany koa, tany Portugal. An­koatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hisy ny fampiofanana mpitsara any an-toerana. Olona avy amin’ny Fifa no hizara ny traikefa amin’izany, manomboka ny 10 – 14 mey.

Tsara ny mampahatsiahy fa hatao ny volana jona ho avy io, any Manakara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara 2024. Aorian’ity fifanintsanana nasionaly ity, hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny “Festival Beach Soccer” indray ny FMF.

Nambaran-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionalin’ ny FMF fa hisy ny fitiliana mpilalao mandritra ny hetsika any an-toerana. Handrafitra ny ekipam-pirenena Barea izay voatily amin’izany, tanjona ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Can 2024” sy ny “Mondial 2025”.

Fitia Randria

Partager sur: