Rakotobe Kristina : hilalao amin’ny klioba D1 any Amerika

Rakotobe Kristina, vehivavy mpilalao basikety, no mety ho Malagasy voalohany hilalao amin’ny divizionina ambony, D1, any Amerika. Araka ny vaovao navoakany tao amin’ny pejiny, omaly, nahazo tolotra hifindra ao amin’ny UNC Greensboro Spartans ny tenany, amin’izao fotoana. Araka ny fikarohana natao, handray 19 taona amin’ity volana ity i Kristina, mirefy 1,80 m. Eo amin’ny “poste 3/4/5” no misy azy eny ambony kianja.
Tsiahivina fa efa nandrafitra ny Ankoay U18 izy, nandritra ny “Afrobasket” sokajy vehivavy, ny taona 2022, tany Antsirabe. Nahazo medaly alimo niaraka tamin’ireo Ankoay zokiny, nandritra ny lalaon’ny firenena miteny frantsay, “Francophonie”, tany Kinshasa, ny taona 2023. Nandrombaka ny medaly volamena, tamin’ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, izay natao teto Madagasikara ny tenany, niaraka tamin’ny ekipa nasionaly malagasy.
Tsara ny mampahafantatra fa intelo voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny kliobany nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin’ny MB2ALL.

F.R

Partager sur: