Tapitra, afakomaly, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Europa, “Ligue des champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Sarotsarotra ny hiakaran’ny Paris Saint Germain (PSG), amin’ny dingana manaraka. Lavon’ny Dortmund Allemagne, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny alarobia lasa teo, tany Iduna Park Allemagne. Mbola tsy vita ny fifanintsanana ho an’ity klioba frantsay ity. Tsy maintsy hanala vela amin’ny Dortmund izy ireo, mandritra ny fihaonana miverina izay hatao ao amin’ ny kianjan’ny Parc de Princes, Frantsa, ny talata 7 mey ho avy izao. Tsara marihina fa elanelan’isa roa vao tafavoaka amin’ny Dortmund ny PSG. Ady sahala kosa, dia efa ampy hahatafitan’ity ekipa avy atsy Allemagne ity.
Ankoatra izay, ho toy ny lalao famaranana ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Real Madrid Espagne sy ny Bayern Munich Allemagne. Hatao ao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu Espagne izany. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta, teo amin’ny dingana voalohany, tany Allianz Arena Allemagne, ny talata lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa hatao ny volana jona ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, ny famaranan’ny “LDC 2024”.
Fitia Randria