Basikety-“Ligue en fête ” : tratra ny tanjona ho an’Analamanga

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny asabotsy sy alahady lasa teo, ny hetsika “ligue en fête”, nokarakarain’ny ligin’ Anala­manga, namaranan’izy ireo ny taom-pilalaovana 2022. Fiarahana nifety am-basikety, niarahan’ny fianavakaviamben’ny ligin’ Ana­la­manga ny nanamarihana io roa andro teny Ankatso io, izay nambaran’ny filohany, Andriatsima Hery, fa tratra ny tanjona napetraka. “Natao ity hetsika ity ampisehoana ny endriny rehetra hoe iza daholo ny ratsamangaika rehetra amin’ny basikety eto Anala­manga, manomboka any amin’ny katitakely”, raha ny fanazavany. Nisy ihany koa ny fandraisa anjaran’ireo Lycée sy orinasa eto Analamanga, Lycée miisa 7 sy orinasa 4 ny namaly ny antso. Tsy diso anjara ny fifampizarana teo amin’ny ligin’ny Bongolava sy Vakinankaratra izay nilalao basikety niaraka tamin’ny ligin’ Analamanga ary indrindra ny lalao basikety 3×3. Nahavita lalao basikety 3×3 niisa 300 teo ho eo ireo mpandray anjara, nanomboka tami’nny U10 hatramin’ny U18 ny asabotsy sy alahady. Raha ny fandaharam-potoana, hitohy amin’ny “déjeuner dansant”, izay hatao ny 18 desambra izao, eny amin’ny Villa Verte Ambatomira­ha­vavy, ny hetsika “Ligue en fête”. Fotoana hizarana ireo amboara rehetra azo nandritra ny taom-pilalaovana 2022 amin’io no sady hamaranana tanteraka ny taona, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ligy hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: