Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja «Annexe» Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena nifanandrinan’ireo orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety
na ny «Inter-Médias 2024». Nandrombaka ny amboara teo amin’ny basikety ny ORTM, raha ny RVS kosa ho an’ny baolina kitra lalaovina olona 7.
Ho an’ny basikety, resin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana mitambatra teo amin’ny famaranana ny RVS. Laharana fahatelo ny Kolo TV. Teo amin’ny baolina kitra, lavon’ny RVS, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1 ny TV Plus. Nahazo ny medaly alimo ny Orange Actus, nanilika ny Sioka tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny fiadian-toerana. Raha ho an’ny ekipan’ny Ultima-Média, samy nihintsana teo amin’ny lalaom-bondrona avokoa na ny ekipan’ny baolina kitra miisa 3 na ny basikety nahitana ekipa 2.
Nanotrona ny lalao famaranana ary nanolotra ny amboara sy ny medaly ho an’ny ekipa mpandresy, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Nisaorany manokana ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) nikarakara iny fihaonana iny. Noderainy ny firaisankinan’ny mpanao gazety rehetra, niara-nilalao. Naneho ny fahavononany izy amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana. Nisy ny fiaraha-nanapaka ny mofomamy, mariky ny faha-50 taonan’ny OJM. Ankoatra izay, nisy ny vatakely nanangonana vola entina hanampiana an’i Judd, tratry ny tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao.
Tompondaka