Hifantoka eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, indrindra ny rugby, amin’ity anio ity. Hifampitana mantsy ny Makis Ladies sy ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, eo amin’ny fiadiana ny Can 2024.
Hiditra amin’ny andro faharoa, anio alarobia, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy (CAN 2024). Hanan-danja ho an’ireo ekipa efatra mifaninana amin’izany ny lalao hatrehiny. Andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Makis Ladies sy ny Liona tsy voafolak’i Cameroun. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta satria efa nihaona herintaona lasa izay. Hanala vela amin’ny Malagasy ry zareo cameronaise, amin’ity.
Raha tsiahivina, efa manana fandresena iray ny Makis, raha mbola 0 ny an’i Cameroun izay resy teo amin’ny lalao voalohany. Tsy maintsy hiady mafy, araka izany, izy ireo, hanao izay handavoana ny tovovavy malagasy. Etsy ankilany, hikatsaka fandresena fanindroany ny Makis, hahazoana antoka handehanana any amin’ny “Mondial 2025”. Nambaran’ireo mpilalao fa hanao izay tsy hampitoko an’i Cameroun ary hiezaka haka isa farany izay betsaka. Efa vonona rahateo ny mpilalaon’ny Makis, hisedra ireo mpifanandrina amin’izy ireo.
Na eo aza izany fahavononan’ny Makis Ladies izany, miantso ireo mpijery izy ireo hanohana hatramin’ny farany fa hery lehibe ho azy ireo, izany.
Hanokatra ny fihaonana ny donan’i Kenya sy Afrika Atsimo. Hiendrika famaranana kely ny an’izy ireo. Tsy maintsy hanao izay ho ahafahana mandavo ny Afrikanina tatsimo mantsy ny Kenyanina, izay mbola manana herijika hiatrehina ny Mondial, ihany koa. Raha ara-taratasy, ambony ny Springboks. Hanala vela amin’i Afrika Atsimo rahateo ry zareo Kenyanina. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana amin’ity anio ity.
Tompondaka