Nivory ny 26 avrily lasa teo, teto Antananarivo, ny mpikambana eo anivon’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana (codis), eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Nandray fanapahan-kevitra vaovao mahakasika ny savorovoro teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB Toliara izy ireo. Nisy andinin-dalàna enina nivoaka taorian’io, ka voalohany amin’izany ny fanafoanana ireo sazy navoakan’ny CFEM.
Ankoatra izay, voalaza ao amin’ny andininy faharoa fa voasazy tsy afaka hifaninana, forfait, ny 3FB Toliara ka resin’ny Mama FC amin’ny isa 3 no ho 0. Ny fahatelo, tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatomombanan’ny filaminana teny an-toerana ny Mama FC sy ny CFEM. Afaka manohy ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) » ny ekipa avy any Toliara ary afaka mandray lalao ao an-kianjany, araka ny andininy fahefatra.
Ny fahadimy kosa dia mandidy ny CFEM hanaraka ny andininy faha-15 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fitsipi-pifehezana momba ny fametrahana ny lamandy. Farany, nomena fe-potoana telo andro ihany koa ireo izay hanao fangatahana eny anivon’ny kaomisaonina misahana ny fandraisana fitarainana.
Tsiahivina, tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta, nandritra ny andro faha-7 “PFL”, natao teny Vontovorona, ny 14 avrily lasa teo, noho ny fikasihan-tanana nataon’ ny mpijery iray tamin’ilay mpitsara fahefatra.
F.R