Tonga ity ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpilalao zandriny, Ankoay U18, lahy sy vavy. Hiakatra kianja anio, ao amin’ny Kianja mitafon’i Victoria Seychelles, izy ireo, mandritra ny andro voalohan’ ny taranja basikety, amin’ny lalaon’ny “Association Africaine des comités olympiques (Acnoa)”.
Ao amin’ny vondrona A no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Miray vondrona amin’izy ireo i Maurice sy Comores ary i Seychelles, mpampiantrano. Ry zareo maorisianina no hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao, voalohany, araka ny vaovao voaray any an-toerana. Raha ny loharanom-baovao azo ihany koa, tsy afaka nanatrika ny lanonam-panokafana ny delegasiona maorisianina, noho ny olana teo amin’ny zotram-piaramanidina nitondra azy ireo makany an-toerana. Marihina fa atao amin’ny 10 mey ny manasa-dalana.
Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana ny 11 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity.
Fitia Randria
Fandaharan-dalao anio:
Vondrona A, lehilahy:
4 ora sy sasany (ora eto Madagasikara): Madagasikara vs Maurice
6 ora latsaka folo : Madagasikara vs Comores
7 ora latsaka folo : Madagasikara vs Seychelles
Vondrona A, vehivavy :
4 ora latsaka folo : Madagasikara vs Maurice
5 ora sy folo : Madagasikara vs Comores
6 ora sy folo : Madagasikara vs Seychelles