Hafaliana sy tebiteby no niainan’ireo Malagasy mpijery baolina tao Andohatapenaka, ny alarobia lasa teo. Tafavoaka mpandresy tao anaty ady sarotra ny Makis Ladies raha nifanandrina tamin’i Cameroun.
Sambany teo amin’ny tantara! Tafita amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2025», taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny ekipa nasionaly Makis Ladies. Nahazoan’izy ireo tapakila ny fandresena tamin’ny isa 12 no ho 5, nanoloana an’i Cameroun, afakomaly, teny Andohatapenaka. Lalao izay tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”.
Samy nahazo tapakila hiakarana amin’ny Mondial ny Springboks Afrika Atsimo sy ny Ladies Makis. Nomontsanin’ny Springboks, tamin’ ny isa mavesatra, 63 no ho 5, ny Lionesses Kenya. Ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Springboks sy ny Makis Ladies. Hiady ny tapakila hanaovana ny Mondial any Angleterre ny roa tonta.
Tsara marihina fa hiatrika ny fifaninanana maneran-tany, diviziona voalohany WXV D1 Angleterre sy WXV D2 any Afrika Atsimo, ny laharana voalohany amin’ity. Hanao ny Mondial WXV D3 Dubai, ny volana septambra ho avy izao, kosa izay faharoa.
Nosahiranin’i Cameroun ny Makis Ladies
Tsy nampoizin’ny rehetra ny endri-dalao nasehon’ny ekipa camerounais. Nanohitra tanteraka ireo vehivavy malagasy izy ireo. Nanao fahadisoana nefa ny mpilalaon’i Cameroun iray, teo amin’ny fahafolo minitra nilalaovana, ka nahazo karatra mavo. Valo minitra taorian’io, nahatondra baolina nentin-tanana ny Malagasy, rehefa tafaporitsaka i Tiana Jinah. Voatsaran’i Vachilly izany ka lasa 7 no ho 0 ny isa teny amin’ny solaitrabe.
Nanindry ihany ny Camerounaise, nahatsindry baolina iray izy ireo rehefa nampiasa ny tosika sy ny heriny nanoloana ny Malagasy, efatra minitra tsy hidirana amin’ny fialan-tsasatra (36 min). 7 no ho 5 ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, mitarika ny Makis.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady ny mpanazatra ny Makis Ladies. Nosoloina an’i Sophie, i Vachilly. Tsy nampiova ny fahavitrihan’ireo camerounaise ny fanovana paikady, nanindry tany amin’ny faritra arovan’ny Malagasy izy ireo.
Nesorina i Fenitra, kapitenin’ny Makis Ladies ary nampidirina i Miora, minitra faha-56. Efatra minitra taorian’izany (60 min), nanampy ny isa ho 12 no ho 5 ho an’ny Makis i Véronique. Nijanona tamin’io isa io ny lalao.
Fitia Randria