AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Man­gataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny va­lan­dresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajoma­zandry Andri­nirina ka tsy tokony hilalao.
Tsiahivina fa tsy mahazo miakatra kianja ity mpilalao ity fa tokony hiandry ny fandaminana vaovao, araka ny tapaky ny kaomisionina misahana ny fifaninanana eo anivon’ny Fe­derasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny 9 avrily lasa teo. “Tsy izay no zava-nisy fa nampilalaovin’ny Fosa Junior ihany i Joma, teo amin’ny andro voalohany sy ny fahefatra izay nifanandrinan’ity ekipa avy atsy Boeny ity taminay, tany Mahajanga”, hoy ny mpitantana iray eo anivon’ny AS Fanalamanga.
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ny AS Fana­lamanga mahakasika ny raharaha, Joma sy ny Fosa Junior Boeny. Araka ny fanambarana nataon-dry zareo, hiala ao anatin’ny fifanintsanana PFL izy ireo raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitantana baolina kitra eto an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: