Sombim-baovao

Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 18 mey ho avy izao, any Kigali renivohitr’i Rwanda, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, sokajy lahy sy vavy. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handehanana any amin’ny “lalao olympika 2024”, izay hatao any Paris, izany.

Hotanterahina any Zanzibar Tanzanie, ny 21 hatramin’ny 24 mey, ny dingana farany, fifaninanana afrikanina ho an’ireo sekoly, “African Schools Championship 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo Malagasy mpitsara voatendry mandritra ny fifanintsanana Randriambololomanana Tsiaro.

Afaka roa andro, hanomboka ny fifaninanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika Paris 2024”, ho an’ny taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara. Hifanandrina amin’ny sokajy lehilahy, i Lithuanie sy i Suisse ary Allemagne. Efa nisy ny fanomanantena natao tany Serbie, ho an’ireo Malagasy mpilalao.

Partager sur: