SOMBIM-BAOVAO

Afaka andro iray sisa, hanomboka ny fifaninanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny « lalao Olympika Paris 2024 », taranja Basikety 3×3, hatao any Debrecen, ny 16 hatramin’ny 19 mey ho avy izao. Nisy ny lalao fanomanana nataon’ireo Ankoay lahy, tany Belgrade Serbie. Tamin’ireo fihaonana dimy natao, nahazo faharesena iray sy fandresena efatra izy ireo.

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Ekipa valo mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League” avokoa no tafita amin’ny ampahefa-dalana. Anisan’izany ny Zanakala FC, CFFA, Uscafoot, Inate FC Rouge, Ajesaia, Disciples FC, Fosa Junior, Elgeco Plus FC.

Hotontosaina ny voalohan’ny volana jona, any Wembley Angleterre, ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara amin’izany ny Dortmund Allemagne sy ny Real Madrid Espagne. Mbola manala vela ny Dortmund, resin’ny Real, 3 no ho 2 izy ireo, ny taona 2017 lasa teo.

Afaka folo andro, hiatrika ny lalao famaranan’ ny fiadiana ny amboaran’i France 2024, ny mpakafy taranja baolina kitra. Ny ekipa Paris Saint Germain sy ny Olympique Lyonnais no hiady ny amboara amin’ izany.Tsiahivina fa mbola manatanteraka valin’ady ny OL amin’ity. Efa resin’ny PSG, 4 no ho 1, ny OL ny volana avrily lasa teo.

Partager sur: