Tenisy ho an’ny jeneraly : tompondaka i Sahivelo sy Razafimboto

Nandrombaka ny amboara tamin’ny “Tournoi des étoiles”, taranja tenisy, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny Je­neraly Razafimboto. Fifani­na­nana natao ny talata lasa teo, teny amin’ny kianja Comp­lexe Sportif Militaire Betongolo. Hetsika karakara­in’ny Ofisy miaramilan’ny fanatanjahantena sy ny ko­lon­tsaina (OMSC), ary ny Sam­pana misahana ireo hetsika ara-panatanjahantena eo anivon’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena.
Marihina fa lalao fanao isan-taona, natokana ho an’ireo manambonihitra jeneraly, izy ity. Nizotra tsara ny fifaninanana, hita taratra fa mahafehy ny taranja tenisy izy ireo. Etsy an-daniny, faly sy ravo avokoa ny mpandray anjara, afa-po ny mpikarakara.

Tsiahivina fa anisan’ny mampiavaka ity fifaninanana ity ny fandraisana anjaran’ireo manamboninahitra jeneraly misotro ronono.

Fitia
(Mpianatra Asa)

Partager sur: