Niditra an-tsehatra, omaly, teo amin’ny fifaninanana 100 m brasse, ny mpilomano malagasy, Raharvel Harivony Jonathan, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, taranja lomano, hatao any Aostralia. 1.01.08 no nahavitan’i Raharvel Harivony Jonathan, ny fifaninanana 100m brasse, tany amin’ny dobo filomanosana Melbourne Aostralia, io « record national » io, omaly. Tsiahivina, 1.02.73 no fe-potoana tsara teo aloha, vitan’i Jonathan hatrany, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena natao tany Thailande, tamin’ity taona ity. Tsara ary mahavelom-panantenana izao vokatra azony izao, anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy 2023, tanterahina eto Madagasikara. Raha hiverenana ity fiadiana ny tompondaka eran-tany ity, tany amin’ny laharana faha-4 no nisy an’i Raharvel Jonathan, teo amin’ny « série » nisy azy. Tsy ampy hiakarana amin’ny dingana manaraka anefa ny fe-potoana azony, ka nijanona teo ny lalana ho azy.
Momba an’i Tendrinavalona Idealy kosa, tsy tafakatra eo amin’ny dingana manasa-dalana, 100m dos izy. Laharana faha-4 ihany koa no nisy azy tao amin’ny « série 1 », izay nahavita ny halavirana tamin’ny fe-potoana 1.08.30. Mbola manohy ny fifaninanana hatrany koa i Tendrinavalona Idealy, hiverina hiatrika ady indray izy anio, ho an’ny sokajy 50 m dos. Miandrandra azy hahazo vokatra tsara sy fahombiazana ny mpankafy fanatanjahantena malagasy satria voninahi-pirenena no arovan’izy ireto any.
Mi.Raz