Ny isam-bohitra na isan-tanana, samy nanana ny raiamandreny. Tsy nofidina ireo fa napetraky ny mpiara-monina. Tsy noho ny fananany harembe fa noho ny fisian’ilay fanahy hendry. Noho izy vatonamelankafatra mitazona ny fomba amam-panao. Mahatahiry ireo fahalalan’ny razana. Mahatandrina ny hasina, sns. Tamin’ny ankapobeny ireo zokiolona sy ela nihetezana no napetraky ny mpiara-monina ho raiamandreniny. Tsy naka na nandrombaka io toerana io rahateo ny zandry mba tsy ho folaka an-dantony.
Niantsoroka adidy goavana ny raiamandreny teo an-tanana, satria, izy no namaha ny olana rehetra heverina fa hanimba na hanakorontana ny tokantrano, ny fiarahamonina. Izy ihany koa no fakan-kevitra raha sanatria ka misy ny faniratsirana sy tsy fifanomezan-kasina eo amin’ny samy mpiara-monina.
Nihavitsy… Tsy tazana intsony !
Nanomboka nahazo vahana ny lanjan’ny vola. Nahazo laka izay manambe aminy. Ireny indray no lasa raiamandreny. Na, sanatria, tsy ampy fahalalana sy fahendrena aza. Na, tanora fanahy aza, raiamandreny ihany no niantsoan’ny fiarahamonina azy. Nihavery tsikelikely ny fahaizana sy fanarahana ny fomba. Tahaka izany koa ny kolontsaina samihafa.
Votsotra ny maha izy azy ny fiarahamonina. Nisintona sy tsy tazana intsony ny fahefan’ny raiamandreny fahiny. Matetika tsy nakan-kevitra izy ireny, satria, noheverina fa efa dilan’ny vanim-potoana ny fahalalana ananany… Nitambotsi-pandry ny fiarahamonina malagasy!
HaRy Razafindrakoto