Iray amin’ireo ambaratongam-panabeazana narahin’ny Malagasy ny fampiasana ny angano. Nifono fahendrena, manaitra ny saina handinika, mitandrina ny fanahy tsy ho voaloto, sns. Samy notrandrahina tamin’ny angano avokoa ireo. Vanim-potoana ankehitriny, nanomboka tsy heno intsony ny ray aman-dreny mitantara angano. Vitsy dia vitsy amin’ny ray aman-dreny sisa no mahay na mahafantatra ny angano malagasy, hany ka tsy manan-kotantaraina amin’ny taranany intsony izy ireny.
Goavana be anefa ny lesoka vokatr’io tsy fitantarana angano amin-jaza io. Iray amin’ireny ny tsy fahampian’ny fandinihana rehefa mby eo amin’ny fahatanorany ny zaza iray. Manjary mora rebireben-javatra ivelany, satria, tsy voataiza handinika ny anatiny. Mitohy any amin’ny fahalehibeazana izany.
Mila haverina isan-tokantrano ny fitantarana angano. Izany hoe, mila mamantatra ny angano fanaon’ny Ntaolo ny ray aman-dreny ankehitriny. Mila mamaky boky ihany koa.
HaRy Razafindrakoto