Antsirabe II : mpiompy akoho 118 niofana

Marolafy ny tolotra fiofanana avy amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny daholobe. Anisan’izany ny fiofanana maimaimpoana momba ny fiompiana akoho gasy notanterahina tao Vakinankaratra. Miisa 118 ireo tantsaha sy tanora avy ao amin’ny fokontany Ambohimiarivo sy Tsaramody, distrikan’ Antsirabe II, no nisitraka izany.
Notsinjaraina andiany telo ireo mpiofana. Nanomboka ny volana marsa lasa teo ny fiofanana ary nifarana tamin’ity volana ity. Sehatrasa fototra iompanan’ny fiveloman’ny mponina avy amin’ireo fokontany roa ireo ny fiompiana akoho gasy. Nizotra am-pilaminana ny fiofanana satria liana ireo mpiofana. Azo antoka ny hahazoan’izy ireo vokatra tsara noho ny teo aloha. Hitombo sy hivelatra kokoa ny sehatrasa sahanin’izy ireo, noho ny teknika fiompiana vaovao hampivoarana ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano, hoy ny mpampiofana.
Tsy mijanona amin’ny tantsaha ny fanofanana fa misy koa ny fandraisana tanora hiofana momba ny fanamboarana akora mampiasa simenitra amin’izao fotoana izao any Antsirabe.

Vonjy

Partager sur: