Taorian’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo sy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Durban, manatanteraka fampivondronana etsy amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampefiloha, ny Federasiona ny Karatedo Malagasy. Mpikatroka 30 mianadahy avy amin’ny ligy manerana ny Nosy no manaraka ny fampivondronana mandritra efatra andro, nanomboka omaly ary hifarana ny alahady izao. Karateka sangany manerana ny Nosy no sady tompondakan’i Madagasikara ireo, araka ny fanazan’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Émile. Ny filohan’ny Komisiona Teknika, Shihan Hafizou Georges, tepana mainty 7 e Dan, no mitarika ny fampivondronana. Karatékas sokajy Seniors, kata sy kumite no notsongaina tamin’ity fampivondronana ity, mba hahafahana mijery izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa ny taona 1998 no nanana ekipa nasionaly farany i Madagasikara ary tsy nisy intsony izany hatramin’izao. Ankoatra izay, fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny “Open de Paris”, ny 20,21 ary 22 janoary 2023, ny anton’izao fampivondronana izao.
Nanambara ny Sensei Emile manoloana ny sazy navoakan’ny UFAK fa ny Federasiona teo aloha notarihin’Andrianaivomanana Solofo Barijaona no voakasiky ny sazy ary eo an-dalam-pamitàna ny taratasy maha ara-dalàna ny FKM tarihiny amin’izao na ny minisitera na ny sehatra iraisam-pirenena.
Mi.Raz