Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tetsy amin’ny Novotel Alarobia, tsy niandry ela fa avy harany dia nidina nijery ifotony ny fotodrafitrasa tany Mahajanga omaly, ny eo anivon’ny CIJ (filankevitra Iraisam-pirenena ny
Lalao, ho an’ny lalaon’ny Nosy), notarihin’ny filohany, i Anthony Gopal. Niara-dalana taminy nandritra izany, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, i Tinoka Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo teknisianina miandraikitra ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa.
Anisan’ny notsidihana tamin’izany, ny “Complexe Sportif” ao Mahajanga sy ny dobo filomanosana olympika vao naorina. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ary tsy maintsy vitaina araka izay haingana sy atao manaraka ny fenitra, araka ny nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto.
Nojeren’izy ireo ihany koa ireo fotodrafitrasa fampiantranoana ny delegasiona. Mbola hisy ny fanamboarana sy fanitarana ary fanatsarana azy ireo, raha ny fanazavana hatrany, mba ho toerana mendrika no handraisana ireo delegasiona vahiny ho avy eto Madagasikara.
Taorian’izany, nitodi-doha niakatra aty Antananarivo ny delegasiona, hanohy sy hamarana ny fivoriana. Anio no hikatona ity fihaonamben’ny CIJ ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy ity. Mandritra izany no hahafantarana ny fanapahan-kevitry ny CIJ, mahakasika ny ho fandraisantsika ity andiany faha-11 ity ary hanapahana farany ny daty ofisialy.
Mi.Raz