Anisan’ny distrika iray amin’ ireo enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo i Vavatenina. Ahitana kaominina 11 mandrafitra azy, izay mifanila amin’ Ambatondrazaka. Mahatratra hatramin’ny 119 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy any Toamasina. Maharitra fotoana ela ny fahavitana ny dia noho ny haratsian-dalana.
Tsy misy fampandrosoana mihitsy ny fotodrafitrasam-panjakana eo anivon’ny disitrikan’i Vavatenina nanomboka ny taona 1960, raha ny fanadihadiana natao. Vita tara na godorao avokoa ny lalam-pirennena RN 22 tamin’io taona nahazoana ny Fahaleovantena io. Nanao ny asa rehetra niainga avy any Antsokafoka hatrany Vavatenina ny orinasam-bazaha, Entreprise Touget. Nisy ny fanamboarana kely teo Ambodihintsina hatrany amin’ny kaominina ambanivohitra tamin’ny taona 1985. “Nirefy 12 kilometatra izany raha toa ka 2 kilometatra kosa fanotofana na Tip Top, ny taona 2015, teo anelanelan’ny lalana mirefy 3 kilometatra, izay niainga avy any Antsikafoka hatrany Sambolaza”, raha ny fanazavan’i Sonina Samson, mponina ao an-toerana sady olobe eo anivon’ny fiarahamonina. Maharitra eo amin’ny ora fito eo ny hamitana ny dia raha mandeha taksiborosy. 5 ora kosa izany raha mandeha amin’ny fiara tsy mataho-dalana. 49 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy ao Fenoarivo Atsinanana, renivohitry ny faritra. Manodidina ny 34 kilometatra kosa izany raha avy eo amin’ny sampanana Antsikafoka miala ny lalam-pirenena faha-5 ka hiditra ny lalam-pirenena faha-22 A, mampitohy an’ Antsikafoka sy Vavatenina.
Potika ny lalana
Zara raha ahitana tapaka tara na godorao, amin’ny halaviran-dalana 34 kilometatra amin’iny lalam-pirenena iny, nandritra ny fanadihadiana natao hatrany. Misedra olana, araka izany, ny mpandeha sy ny mpamily ary ireo tompona fiara manoloana ny haratsian-dalana any an-toerana. Matetika simba ny fiara noho ny haratsian’ny fotodrafitrasa. Tsy mitsahatra mividy fitaovana amin’ny fiara, araka izany, izy ireo. Tara ny fahatongavan’ny mpandeha any amin’ny toerana tiany hahatongavana noho izany. Misy mihitsy aza ireo mpandeha voatery manosika fiara sy matory an-dalana. Ankoatra izay, nanomboka tamin’ny fiandohan’ ity taona ity, tsy tonga hatreny antapon-tanànan’i Vavatenina intsony ireo kamiao lehibe mpitatitra entam-barotra any an-toerana. Tsy afaka mivoaka ny vokatra miakatra noho ny fahatapahan’ny tetezana eo amin’ny 5 kilometatra tsy hidirana amin’ny renivohitr’ i Vavatenina. Vokany, miakatra ny vidim-piainana andavanandro, toy ny legioma, 7 000 hatramin’ny 10 000 Ariary ny kilaon’ny ovy sy karaoty, 15 000 hatramin’ny 20 000 Ariary ny voatabia sy tongolo…
Tsy misy fanajariana ny lemak’ Iazafo
Anisan’ny lemaka lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian’ny lemak’Alaotra, ny lemak’ Iazafo. Mifandray sy mifampitohy amin’ny lemak’ Alaotra izy saingy lasa fakana vatom-pifidianana nanomboka ny taona 1975 hatramin’izao. Teny mandalo fotsiny ireo nataon’izay olona nilatsa-kofidina ho filoham-pirenena sy ho solombavambahoaka rehetra, nanomboka tamin’io taona voalaza io. “Ho hajariana asiana tohodrano lehibe ahafahana manondraka ity lemak’Iazafo ity mba hahafahan’ny tantsaha mamokatra bebe kokoa” hoy ireo nanao fampielezan-kevitra hilatsa-kofidina ho filoham-pirenena rehetra nifandimby. “Hiezaka ny tenako sy ny namako ao anatin’ny faritra Analanjirofo, izay handalovan’ny lemak’ Iazafo, fa hanolotra tolo-dalàna hanajariana ny lemaka sy hanaovana tohodrano lehibe hanondrahana ny tanimbarin’ Iazafo”, hoy kosa ireo mpilatsaka hofidina solombavambahoaka. Tsy nisy fiovana io lemak’Iazafo io fa hatramin’ny fanjanahantany ihany no misy sy tazana hatramin’izao, raha ny zava-misy. Miha tototry ny hatsanga sy hanirian’ny hazo samihafa izy io ka mihena ny faritra azo iasana sy ny voka-bary ankehitriny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Vokany, tsy mahatody taona intsony ny voka-bary miakatra any an-toerana. Tsy zakan’ny sarambabem-bahoaka intsony koa ny saran-dalana hitondrana ny vokatra ho aty an-drenivohtra. “Aleo hohanina sy atao sakafo aloha ny voly miakatra, mba hialana amin’ny fahasahiranana mianjady”, hoy i Velotody Georges.

Misedra olana ny fitantanana
Manodidina ny 61 475 ny isan’ny mponina ao amin’ny kaominina renivohitra Vavatenina, raha ny fanisana natao farany. Mizara ho fokontany roa . Misedra olana eo amin’ny fomba fitantanana avokoa ny ankamaroan’ny sampandraharaham-panjakana ao an-toerana. Anisan’izany, ny kaominina maro mifanilabodirindrina, ny fampianarana… Anisan’ny nanamarika izany ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiban’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny ben’ny Tanànan’ i Vavatenina, na efa nahazo fahafahana vonjimaika aza.
Tsy matotra ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra sy ny fiadidiana ny disitrika momba ny fakana hetra sy tamberimbidim-bokatra. Hita taratra izany nandritra ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna fito sy ny lefiny ary ireo sekretera mpitantam-bola. Nampiofana azy ireo ny teo anivon’ny INDDL (Institut national de la décentralisation et de développement local) sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-mitantana sy hampahafantarana ny lalàna mifehy ny volam-panjakana. Eo koa ny tsy hisian’ny fampidirana ben’ny Tanàna am-ponja intsony.
Nanatontosa : Sajo




