VAOVAO TAMBATRA

Miisa dimy ireo orinasa ODOF mampiranty ny vokany eny amin’ny Canal Olympia Andohata­penaka, mandritra ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Ao anatin’izany ny orinasa Ampalia izay manodina ny paoma avy any Antsirabe ho lasa Cidre. Eo ihany koa ny huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo sy soja. Ny ODOF manodina tantely avy ao Manjakandriana ary ny orinasa manodina ronono.

Ahina ny tsy fahampian’ny famatsiana sira misy ioda noho ny tsy fisian’ny ioda hahafahana mamokatra izany ao Toliara. Mbola namatsy izany ny Unicef teo aloha saingy nilaza ny manam-pahefana fa vidiana 5 800 000Ar ny 25 kg amin’ny ioda, izay tsy zakan’ny mpamokatra. Misedra io olana io ny ao Ifaty, Mangily, Manombo ary Ambohitsabo.

Vinavinaina hiakatra 2,1% na 1,229 tapitrisa m3 ny habetsaky ny vokatra avy amin’ny solika ho lanintsika eto Madagasikara amin’ity taona ity. Milanja 266 705 m3 ny vokatra nojifain’i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Heverina ho 296 462 m3 izany ho an’ny telovolana faharoa, 330 059 m3 ho an’ny telovolana fahatelo ary 336 298 m3 amin’ny telovolana fahefatra farany.

Partager sur: