Nanao ny fivoriambeny ny mpikambana ao anatin’ny filankevim-pitantanan’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), ny 12 sy ny 13 desambra 2022 teo, teto Antananarivo. Tafditra tao anatin’ny lahadinika noresahana ny mikasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny mahazo ny tantsaha mpamokatra. Isan’izany ny firotsahan’ny havandra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny 9 novambra 2022 teo, sy ny tany amin’ny faritra hafa, izay nanimba maro, indrindra ny fambolen’ny tantsaha. Koa, manoloana izany, nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny TTM, Rtoa Razafimbololona Angeline Lydia, fa manantena ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera mpiahy azy ireo, izay efa nisy hatramin’izay. Manentana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) izy ireo mba hijery akaiky ireo tantsaha niharam-boina, indrindra ny fitaovam-pambolena sy ny masomboly.
Antenimieran’ny tantsaha
Isan’ny voina mpahazo ny tantsaha koa ny dorotanety. Toy ny tany Ankarafantsika, Toamasina II, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Diana, Alaotra Mangoro, sns.
Nasongadin’ny PCA ny TTM koa, ankasitrahan’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera Minae, ny hivoahan’ny volavolan-dalàna. Anisan’ny voasoratra ao anatin’izany ny hampidirana ny TTM ho mpikambana ao anatin’ny Antenimieran’ny tantsaha mpamokatra, izay ho hatsangana.
Njaka Andriantefiarinesy