Fisitrahana herinaratra: hifantohana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina

Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana ny fampiroboroboana ny herinaratra, indrindra ny fampiasana ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny rano. Misy ny dinika faharoa momba ny tetikasa hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara.

Tanterahina mandritra ny 12 andro, eny Ampan­dria­nomby, ny dinika faharoa momba ny fampiroboroboana ny angovo azo ha­vaozina, izany hoe, ny angovo azo avy amin’ny rano, hiadina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ireo manatanteraka izany ny delegasionina avy any Indonezia misahana ny “South-South and Trian­gular Cooperation” (SSTC). Maro ireo teboka hifanakalozan-kevitra mandritra ity dinika atao eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), nanomboka ny alatsinainy teo, ity. Ankoatra ny fananganana toby mamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro, dinihina koa ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, ny lafiny fampiofanana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao ary ny fijerena ireo toerana hananganana ny fotodrafitrasa any amin’ny faritra Amoron’i Ma­nia. Tombony ho an’i Ma­dagasikara ny fananana ireo akora fototra rehetra ireo. Araka izany, naneho ny fahavonony hampitombo ho 70% ny taham-pisitrahana herinaratra, indrindra ho an’ny tontolo ambanivohitra, ny MEH. Araka izany, miara-misalahy amin’ny minisitera, amin’alalan’ny Ader ny GIZ Indonezia sy ny tetikasa Perer an’ny GIZ eto Madagasikara, izay tohanan’ny minisitera federalin’i Alemana misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana (BMZ) ny mpiara miombon’antoka. Tsiahivina fa tontosa ny volana desambra 2023, tany Indonezia, ny fivoriana nanapahana ny fandaharanasa ho fampiofanana momba ny angovo azo havaozina eto Madagasikara amin’ny taona 2024-2025 ho an’ireo teknisianina eo anivon’ny MEH, ADRR, ORE ary ireo avy any amin’ny sehatra tsy miankina. Atao ny volana septembra izao, any Bali Indonezia, mandritra ny hetsika “Forum Afrique-Asie” ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa.

Henintsoa Hani

Partager sur: