Nodorana ny zoma teo avokoa ireo gonim-bary simba miisa 518, tao Mahajanga, rehefa voamarina tamin’ny fitiliana natao fa tsy azo hohanina intsony. Notanterahina teo an-tokotanin’ilay orinasa mpanafatra entana, tompon’ny vary, ihany ny fandevonana ny vokatra. Nitarika izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny sefo fokontany sy ny tomponandraikitra ao amin’ny faritra ary ny tompon’ny orinasa. Nototofana tao anaty lavaka avy hatrany ireo vary rehefa may tanteraka hisorohana ny tranga nisy tao Toamasina, volana vitsy lasa izay. Tsiahivina fa nisy nikasa hivarotra ireo vary 50 kaontenera tany an-toerana, ny volana janoary teo. Maro ireo tomponandraikitra voasaringotra tamin’ny raharaha ka anisan’ireo naiditra vonjimaika am-ponja tamin’izay ny Préfet tao Mahajanga sy ny talem-paritry ny Varotra tao Boeny, ny 05 janoary teo. Voarohirohy ho namoaka antsokosoko ireo vary simba nitoby tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, nanomboka ny taona 2017 iretsy farany.
Henintsoa H.