VAOVAO TAMBATRA

Hotazonina amin’ny vidiny ankehitriny ny vidin-tsolika hatramin’ny faran’ny taona na mitaky ny fampiharana ny vidiny tena izy aza ny mpamatsy vola. Tsy ho zakan’ny mpanjifa raha toa ka ampiharina izany vidiny tena izy izany. Noho izany, hisy ny politika hapetraky ny fanjakana hirosoana tsikelikely amin’ny fampiharana mba ho afaka hihatra mandritry ny taona maro.
Mikasa hampiakatra ny Droit d’accise ho an’ny zava-pisotro misy alikaola ny fanjakana araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana 2024. Vinavinaina hangalana 100 Ar fanampiny isaky ny litatra izany. Manodidina ny 50 hatramin’ny 260 % ankehitriny ny Droit d’accise mihatra.
Tafakatra hatrany amin’ny 3 340 miliara Ar ny fatiantoky ny fanjakana malagasy amin’ny vola tsy ara-dalàna mivezivezy eto amintsika. Vola hosoka azo avy amin’ny hetra sy ny famotsiam-bola avokoa ny ankamaroan’izany. Niakatra be izany raha oharina ny taona 2022 izay mitentina 2 390 miliara Ar, izany hoe, niakatra 27% raha oharina ny taona 2021.
Heverina ho 439 000 taonina ny fatiantoka maneran-tany amin’ny vokatra cacao, ho an’ny taom-piotazana 2023-2024. Nisesy izany fatiantoka izany tao anatin’ny telo taona. Hiakatra 18% izany raha oharina tamin’ny vinavina teo aloha izay 372 000 taonina. Vinavinaina hihena ihany koa ny vokatra hojinjaina, indrindra atsy Afrika Andrefana izay manana tolotra betsaka indrindra.

Partager sur: