Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny famokaram-bary eto Madagasikara ny fampitomboana ny famatsiana masomboly fototra sy voamarina. Mandray anjara amin’ izany ny tetikasa Papriz izay vatsian’ny Agence Japonaise de Coopération Internationale (JICA) vola. Tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy miara-miasa amin’ ny Fofifa ary ny SOC. « Mbola ambany ny famokarana masomboly eto amintsika raha oharina amin’ny filana. Antony nametrahana ny paikady nasionaly momba ny masomboly », hoy Rakotondranaivo Lovaniaina, tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minae. Tanjona ny hamoakatra masomboly voamarina 8 400 taonina ny taona 2027 amin’ireo vary an-drano raha 4 000 taonina mahery kosa ny ho an’ ireo vary an-tanety. Notohizany fa manodidina ny 7,7 tapitrisa taonina kosa ny vary akotry miaraka amin’ny fanohanan’ ireo tetikasa sy fandraharana eo anivon’ny minisitera. Tafiditra ao anatin’ny tosika omen’ ny Papriz ny hanentana ny tantsaha hampiasa ireo masomboly voamarina. Hojerena miaraka amin’izay ny fomba hanamorana izany mba hisitrahan’ny mpamokatra ny masomboly mba hampitomboana ny vokatra sy hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Marihina fa antoka ho an’ny fampiroboroboana ny voka-bary ny fananana masomboly tsara kalitao mba hampakarana hatrany amin’ny 30% ny taham-bokatra.
Henintsoa H.