Hampiakarina hatrany amin’ny 15% ny famokaram-bary eto amintsika amin’ity taona ity. Havaozina ny velaran-tany 100 000 ha hanatanterahana izany mba hamokarana 5,6 tapitrisa taonina raha toa ka 5,3 tapitrisa taonina izany tamin’ny taon-dasa. Tanjona ny hampihena ny fanafaram-bary eto amintsika hatramin’ny taona 2028.
Hiasa-hiasa amina orinasa tsy miankina eto Madagasikara ny orinasa kanadianina Global Li Ion. Hiroso amin’ny fitrandrahana « Uranuim » afaka andro vitsy ny orinasa roa tonta ho an’ny fampiasana ny angovo maitso ho famokarana herinaratra. Sehatra iray hisorohana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny fitrandrahana atao.
Manodidina ny 60 000m3 isan’andro ny tsy fahampian-drano eto amintsika noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny famokarana sy fitsinjarana ny rano. Antitra avokoa ny fotodrafitrasa, ambany ihany koa ny famokarana ka mahatonga ny fahatapahan-drano hatrany amin’ny tsy fisitrahana izany mandavantaona ho an’ireo faritra sasany.
Misokatra ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ireo mpandraharaha liana hitantana ny milina mpanodina tantely ao Bekopaka, distrika Antsalova. Manana hatramin’ny 27 jona amin’ny 5 ora hariva izy ireo hitondra ny antotan-taratasy mahakasika izany eny amin’ny biraon’ ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC), Melaky-Tanambao.