Ho ambohipihaonan’ny mpitia baolina kitra ny etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, anio asabotsy. Hotanterahina eo ny lalao fihantsiana eo amn’ny Barea «Chan» sy ny ekipa voafantin’i La Réunion, hatevenin’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra any amin’io Nosy rahavavy io, toa an’i Dina, i Ando Pro, i Boura sy i Baggio ary i Gladyson ampian’i Tojo. Tsiahivina fa tafiditra ao anaty fanomanantenan’ny Barea, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina izany.
«Tena tsy hisangisangy amin’io lalao io izahay na ara-pirahalahiana aza, fa tena hitady fandresena mihitsy. Vonona hanome tsapa sahaza ny mpilalaon’ny Barea koa», hoy i Aboudou, mpanazatra renione.
Etsy an-kilany, hitarafana ny fomba filalaon’ireo mpilalaon’ny Barea ary koa hijerena ny fahaizan-dry zalahy mampiasa ny paikady nomena azy ny tena tanjona amin’ity fihaonana ity. Tsiahivina fa mpilalao 23 ihany no handeha ho atsy Alzeria, amin’ny fiatrehana ny «Chan 2023”. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka ny 23 desambra ho avy izao ny anaran’izy ireo. Ankoatra izay, miantso ireo mpijery ho tonga maro hanatrika ny lalao anio, ny tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona satria ny vola ho azo amin’io dia hanampiana ny Barea de Madagascar. Araka izany, noferana ho tokana ka natao 5 000 Ar ny vidim-pidirana.
Tompondaka