Orange Madagascar : hampiroborobo ny lafiny sosialy

Vonona hatrany ny Orange Madagascar hampiroborobo ny takalo manaja ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (politique d’achat responsable) sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sosialy (RSE) izay hiarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha samihafa. Nanomboka omaly ny hetsika « Supplier Day » andiany voalohany izay natao tetsy amin’ny Orange Digital Center, gara Soarano. Hetsika nifampizarana ireo fomba fiasa amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra iombonana eo amin’ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana. Manodidina ny 200 ireo mpandraharaha namaly ny antso. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Orange Madagascar ny hanavao sy hanatsara hatrany ny tolotra omeny ny mpanjifa. Antoky ny fahombiazana tokoa ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sosialy. Araka izany, mampandroso ny toekarena ny fanatsarana ny fampiasana angovo. Mila arahi-maso akaiky ihany koa ny sehatry ny teknolojia sy ny vola. « Fanalahidin’ny fahombiazan’ny orinasa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Tokony hanana fitondran-tena mendrika sy manaja ny tontolo iainana izy ireny», hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord.

Henintsoa H.

Partager sur: