JME sy JMDS : mandeha ny ady amin’ ny haintany any Atsimo

Nosokafana, omaly, tany Toliara, ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), sy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fiangazan’ny tany sy ny haintany (JMDS).

Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Max Andonirina Fontaine, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana samihafa. Nisy ny diabe nitety tanàna, niainga teo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena hatreny amin’ny toera-malalaka Soafilira. Lohahevitra no­raisina ny hoe : «samy manome lanja ny fiarovana ny tany, manoloana ny ady amin’ny fiangazana sy ny tany hay». Navoitran’ny minisitra, Max Andonirina Fontaine, fa anisan’ny asa sarotra indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana satria iarahantsika mahita ny tsindry mpahazo azy. Toy ny fandripahana ny ala, ny doro ala sy tanety, ny fambolena, ny fanondranana antsokosoko, sns. Ahitana fahasimban’ny tany ny faritra 13 amin’ny 23, indrindra any Atsimo Andrefana, izay tratry ny firosoan’ny tany hay sy ny dongom-pasika.

Tetikasa Mionjo sy Tefiala
Napetraka ny paikady manokana hamahana ny olana hiatrehina ireo. Anisan’ izany ny fandaharanasa iarahana amin’ny Firenena mi­kambana momba ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hampiasana ara-drariny ny loharanon-karena voajanahary. Miompana amin’ny fanatanterahana izany ny tetikasa Mionjo sy ny tetikasa Tefiala izany. Miasa any amin’ ny faritra 3 (Atsimo Andre­fana, Anosy, Androy), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Manohana amin’ny fampitaovana ny Mionjo, raha toa ka ny fanohanana amin’ny fanarenana ny tany sy ny fambolen-kazo ny Tefiala. Nisy ny fanolorana fitaovana maro, omaly. Toy ny fiara 4×4 miisa 4, moto 10, kojakoja fambolen-kazo, fiatrehana ny famonoan’afo, sns. Maro ny hetsika hafa hankalazana ny JME sy ny JMDS hatramin’ny sa­botsy 15 jona ho avy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: