VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 57 778 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, tao anatin’ny efa-bolana voalohan’ny taona 2024. Niakatra maherin’ny 14,3% ity antontanisa ity raha oharina tamin’ny efa-bolana voalohan’ny taon-dasa, izay 50 447. Na izany, mbola ambany lavitra ny antontanisa voaangona tamin’ny taona 2019, izay nahatratra 65 070.

Niato avokoa ny famatsian-drano tamina toerana maro teto an-drenivohitra, omaly, noho ny olana ara-teknika ao amin’ny toby fampakaran-drano eny Amboaroy. Tonga teny an-toerana sy nanarina izany ny orinasa Jirama. Tsiahivina fa mahatratra
60 000m3 isan’andro ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina.

Fahombiazana sy fampiroboroboana ny indostria. Ireo ny lalantsaina nibahana nandritra ny atrikasa natao ny alarobia teo, niarahana tamin’ireo orinasa mpisitraka ny tetikasa ODOF. Nasongadin’ireo mpandraharaha fa tsara kalitao sy manara-penitra ary tsy mena-mitaha amin’ireo vokatra any ivelany ny vokatra avy amin’ireo orinasa ireo.

Mitohy ny fananganana ny ZEP faharoa ho an’ny faritra Anôsy, izay atao ao Manatantely, kaominina Soanierana, raha napetraka ao Ivahona, distrika Betroka, ny voalohany. Hiara-hiasa amin’ny orinasa D-système ny fotodrafitrasa natsangana. Mamatsy vola ny fananterahana ny ZEP ao an-toerana kosa ny Vondrona eoropeanina.

Partager sur: