Graphite molo : mahasarika ny orinasa mpitrandraka

Vonona hiara-hiasa sy hitrandraka ny graphite molo eto Madagasikara ny Société financière internationale (SFI). Noho izany, maminavina hampiakatra ny famokarana
150 000 taonina isan-taona ny orinasa NextSource Materials amin’ny alalan’ny famatsiam-bola mitentina 162 tapitrisa dolara ataony raha manodidina ny 17 000 taonina isan-taona ny vokatra azony amin’ izao fotoana. Sampandraha­raha iray eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny sehatra tsy miankina ny SFI. Ity farany izay nanao sonia famatsiam-bola mitentina 91 tapitrisa dolara. Fanohanana izay mikendry hampiroborobo ny fitrandrahana ny graphite lehibe indrindra eto amin’ny firenena. Hiara-hiasa sy na­nao sonia izany, ny alakamisy teo, ny NextSource Materials sy ny orinasa kanadianina matihanina amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Henintsoa H.

 

Partager sur: