28 ny kandidà, hisafidianana izay ho tale jeneralin’ny Bianco. Anatin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy ny tomponandraikitra. Dimy ny vehivavy amin’ireo mpifaninana.
Hifarana amin’ny 6 aogositra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco, izay dimy taona tsy azo havaozina. Manoloana izany, miroso ny dingana amin’ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. Nanomboka tamin’ny 7 jona lasa teo ny fikirakirana ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana amin’izany. Fantatra izao fa 33 no nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kotendrena teny amin’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Antaninarenina. 28 amin’izany no voatana, ka vehivavy ny dimy. Valo amin’izay 28 izay ihany anefa no hiatrika ny komity manokana tarihin’ny filohan’ny CSI amin’ny fanadinana am-bava. Avy amin’izay valo izay no hifantenana izay telo farany hatolotra ny antsasa-manilan’ny mpikamban’ny CSI ny filohan’ny Repoblika ny anarany, ka hanendreny ny iray izay ho tale jeneralin’ny Bianco amin’ny alalan’ny didim-panjakana.
Anisan’ny mandrafitra ny komity manokana misahana ny fifantenana ny solontena avy amin’ny Primatiora, ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena, ny mpampianatry ny oniversite Antananarivo. Manampy ireo ny avy amin’ny holafitry ny mpisolovava, ny sehatra tsy miankina ary ny avy amin’ny fiarahamonina sivily. Nihena ny isan’ireo mpifaninana nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kotendrena: 64 izany tamin’ny 2019, raha 33 izany amin’izao.
R. Nd.