Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana

Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa.

Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga ny Association des femmes auto-entrepreneures à Madagascar (Afam) nanao ny fandaharanasa “Ampela mandraharaha », hanandratana avo ny fandraharahan’ny vehivavy. Nanaraka fiofanana nandritra ny telo volana ny solotenan’ireo mpikambana hampiroboroboana ny tetikasany. « Tanjona ny hampivoatra ny asan’ireo vehivavy sy hivelarany amin’ny sehatra hafa », hoy ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny Afam, Raoelinarivo Oly Harinoro. Sakana ho an’ny vehivavy mpandraharaha, hoy izy, ny tsy fahaizana mikirakira ireo torolalana samihafa amina tetikasa. Araka izany, nomena fahalalana fototra isan-karazany ireo mpandraharaha mba hampitomboana ny traikefa ananany. Natao ny sabotsy teo, teny amin’ny UPNNC Ambohitsoa, ny « pitch » an’ ireo vehivavy mpandraharaha valo tafakatra amin’ny dingana famaranana.

Tombony
Dingana goavana tamin’ ireo mpandraharaha ny fiofanana natao. « Nahafahana nahita ireo pitsompitson’ny tontolon’ny fandraharahana izay telo volana izay sady nanampy anay amin’ny fomba fitantanam-bolan’ny tetikasa», hoy i Vavilinigny Carmen, mpitantana ny orinasa Curly’ CHIC. Tsy nisy ny sivana napetraka tamin’ny fiofanana saingy andrasana amin’ireo nisitraka ny fandaharanasa “Ampela mandraharaha” kosa ny hamitany hatramin’ny farany ny « Business Plan » sy hanatanterahina ireo vina napetraka, hoy ny filoha mpanorina ny fikambana, Andria­ma­nandraibe Andrianina. An­koatra izay, tombony ho an’ny Afam ny hampivelatra ny “réseau”, hampitombo isa ny mpanohana sy mpiara-miasa, amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika samihafa. Mila sahy sy matihanina ary manana ilay toe-tsaina mandraharaha ny vehivavy iray ahafahanany mandroso sy mivelatra.

Henintsoa Hani

Partager sur: