Star Ambatolampy : Angovo fanodinana ny rano avy nampiasaina

Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny fandaniana amin’ny herinaratra mahazatra, sady hitodihana amin’ny fampiasana angovo madio. Eo koa ny fotodrafitrasa manokana manadio ny rano avy nampiasaina, mba hitsinjovana ny tontolo iainana rahateo, sy hampihenana ny fandaniana rano.

Tavoahangy vera
Nosantarina tamin’io fotoana io ihany koa ny famokarana ny rano fisotro voanjanahary, Cristalline 50 cl, anaty tavoahangy vera. Nikitika voalohany ny milina mampandeha izany ny minisitra Max Andonirina Fontaine. Mampiavaka azy ny fahafahana mampiasa indray ny tavoahangy vera, mitsinjo ny tontolo iainana, tsy toy ny tavoahangy plastika. Ho azo jifaina tsy ho ela ity vokatra ity.

Njaka A.

Partager sur: