VAOVAO TAMBATRA

Ho avy eto amintsika tsy ho ela ny delegasiona avy amin’ny Tanger Med Engineering hijery ny fomba hampivelarana ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara. Mirefy 1000 ha ny seranan-tsambon’i Tanger Med ao Détroit de Gibraltar, any Maraoka. Miisa 100 000 ireo sambo mifamezivezy isan-taona ao an-toerana.

Natao nandritra ny roa andro ny dinika nasionaly ho an’ny fiantohana ny zon’ny vondron’olona ifotony mpiaro ny tontolo iainana (VOI). Tanjona ny hanomezan-danja azy ireo noho ireo adidy mavesatra sahaniny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ireo harena anaty rano.

Nizarana masomboly vary 2,30 taonina ny tantsaha any amin’ny kaominina Mahabo sy Ampanihy, distrika Mahabo, faritra Menabe, ny 15 jona teo. Miampy zezika NPK 3,83 t sy zezika organika 19,13 t. Ny tetikasa Purpa ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) nahatanterahana izany.

Mitentina 18 tapitrisa euros ny famatsiambola avy amin’ny Sampandraharaha fampindramam-bola alemà ho an’ny fanarenana (KFW). Hampiasana ny vola ny hananganana fotodrafitrasa hamatsiana herinaratra azo havaozina any Ambatosoa, ao amin’ny helodranon’i Antogil, distrika Maroantsetra. Natao sonia ny 18 jona teo ny fifanarahana.

Partager sur: