Olep: ady amin’ny fahaverezan-tsolika

Rantsa-mangaika ao anatin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny Rafitra miady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana an-dranomasina (Olep). Natao ny sabotsy 15 jona teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ny fanazarantena sy ny fampiasana ireo fitaovana manara-penitra raha sendra misy ny fahaverezan-tsolika an-dranomasina.
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), Max Andonirina Fontaine, fa misy antony manokana matoa natao tany Toliara ity fanazarantena ity. Mirefy 530 km ny morontsiraky ny Atsimo Andrefana. Mivelona amin’ny hazan-dranomasina ny ankamaroan’ny mponina. Eo koa ny ala honko, toeram-ponenana sy fanatodizan’ny hazandranomasina samihafa. Maro ny sambo vaventy vahiny mivezivezy amin’iny tendrony atsimon’ny morontsirak’i Madagasikara iny. « Koa, vonona isika hiatrika rahe sendra misy ny loza », hoy ihany izy.
Nohazavain’ny tale jeneralin’ny Olep, Ratolojanahary Jean Baptiste, fa tsy mbola nisy ny tranga tena natahorana teto amintsika satria mbola latsaky ny 20 t ny solika very.
Efa nanampy tamin’ny fiatrehana sambo nisy solika very an-dranomasina tany Maorisy, tamin’ny taona 2019, ny Olep. Efa nahazo fanampiana ara-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena mahakasika ny fahaverezan-tsolika an-dranomasina (Fipol) i Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: