20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MDAT), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, no niantsoroka ny asa fanamboarana ity fotodrafitrasa mirefy 115 metatra ity. Tamin’ny volana marsa 2004 anefa dia noravan’ny rivodoza Gafilo ny tetezan’i Nosibe Ambodirina, izay tokony hampifandray kaominina dimy amin’iny faritra avaratra andrefan’i Toamasina iny. Nanimba ny fiarian’ny fokonolona tao amin’ny faritra izany. Voatery nampiasa fitaovam-pitaterana tsy zarizary toy ny lakana sy zahatra ny tantsaha. Goavana ny fatiantoka. Nihena ny vidin’ny vokatra. Nihena toy izany koa ny vola miditra kanefa io no lalana tokana namoahana ireo vokatra maro avy amin’ireo kaomina ireo. Niova tanteraka ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao noho ny fahavitan’ny tetezana ambonin’ny reniran’ Ivoloina. Manampy ny fahavitan’ity tetezana ity ihany koa ny asa fanarenana ny lalana mirefy 13 km, mampitohy ny kaominina fito amin’ny tsenan’i Toamasina sy ny manodidina. Fotodrafitrasa mipaka mivantana amin’ny fiainan’ny mponina ity voatsangana ity. Hanatsara ny fiainan’ny mponina ary hampandroso indrindra ny toekaren’ny faritra.
Henintsoa Hani