Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany: fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco

Nanao rodobe teny amin’ ny biraon’ny Bianco eny Ambohibao, omaly 19 jona 2024, ny mpitantana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MIM) sy ireo rantsa-mangaika ao aminy, toy ny Omnis, ny BCMM, ny Anor, sns. Napetraka teny ny antontan-taratasy mirakitra ny fa­nambaram-pananan’izy ireo, izay fanao ho an’ny mpiasa ambony eny anivon’ny rafi-panjakana araka ny lalàna 2013-020.
Nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny MIM, Razananirina Delice, izay nilaza fa manana ny rafitra fitantanana ny ady amin’ny kolikoly ny minisitera. Endriky ny fi­sian’ny fitantanana mangarahara sy madio, lavitry ny kolikoly izao fanambaram-pa­nanana izao, mba hahazoana vokatra tsara kokoa amin’ny fanatanterahana ny asa.
Nanamarika ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza, fa zava-dehibe tokoa izao nataon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany izao. Anjaran’ny Bianco ny manentana ny mpitantana ambony hanao ny fanambaram-pananana, nefa tsy niandry izany ity minisitera ity, fa nanao rodobe nanatitra ny azy ireo teny an-toerana. «Mino aho, fa ny fananana tena misy, tsy mihoatra, tsy latsaka, no nambaranareo tao anatin’ny fomba ara-drariny sy ara-dalàna no nahazoana azy», hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: