KMF/Cnoe : “Aoka hamoaka ny voka-pifidianana an-kalalahana ny HCC”

“Miantso hatrany ny HCC ny Fikambanana mba hamoaka ny voka-pifidianana an-kalalahana, araka ny tena marina sy ny lalàna”, hoy ny fanambaran’ny KMF/Cnoe novakin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, teny Antanimena, omaly, am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy.

Aoka ireo tsy miankina mba hanaja ny safidin’ny olom-pirenena nifidy azy, ka tsy hiandany amin’ny vondrona politika fa famitahana an’ireo nifidy azy ireo izany. Aoka hipetraka amin’ny safidy nifidianan’ny olom-pirenena azy izy ireo. Takin’ny KMF/Cnoe ny fanasaziana ireo voarohirohy amin’ny raharaham-pifidianana: raha ma­mono vato, ohatra, ny HCC, tokony hosaziana ny olona nahatonga an’izany fa lasa tsy voahaja ny safidim-bahoaka. Eo koa ny fanajana ny safidim-bahoaka, ny fanatsarana ny rafi-pifidianana…

Fotoana izao hanatsarana ny rafi-pifidianana mba hanamafisana ny fahefan’ny olom-pirenena, araka ny tolo-kevitry ny KMF/Cnoe. Tsy ho tanteraka izany raha tsy hahitsy ny Lalàmpanorenana amin’ny And. 3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, Toko II manontolo, 161, 162 sy 166 ary ny 168. Ta­zonina ny dingana tsara efa vita: ny And. 163, tsy azo anaovana fanitsiana ny faharetana sy ny isan’ny fe-potoana iasan’ny filohan’ny Re­pobli­ka. Atao ivon’ny Lalàm­panorenana ny olom-pirenena, ka izay no hitondra ny ivon’ny fanamafisana ny fahefan’ny olom-pirenena any amin’ny lalàna sy ny rafi-pifidianana: ny lalàna momba ny Ceni, ny HCC, ny lalam-pifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko politika. Ekena fa tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny HCC, ohatra, fa tokony hisy ny mpitsara ny mpitsara afa-mijery ny mpitsara eo anivon’ny HCC.

R. Nd.

Partager sur: